INDRAY MIJERY

Cisco maromaro manerana ny Nosy no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC ny faran’ny herinandro teo. Nisantatra izany ny Cisco an’Andramasina izay nahitana vokatra 74,16%. Hatry ny omaly, manodidina ny 20 ny Cisco efa nahatafavoaka ny vokatra. Hitohy amin’ity herinandro ity izany. Tsindrindaona ireo tanora nanala fanadinana.
Nitsidika ireo mpiasam-panjakana tany Bongolava, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Tanjona ny hanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetikasan’ny minisitera momba ny fanavaozana ny fitantanana ny loharanon-karena araka olona eo anivon’ ny asam-panjakana.
Hanomboka anio ary haharitra herinandro ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 15 taona. Eo koa ny fizarana vitamine A ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ny 59 volana ka tsy mbola nisitraka izany hatramin’ny fahenim-bolana. Hisy ihany koa ny fizarana fanafody miaro amin’ny aretina ongobe ho an’ny ankizy 2 taona miakatra ho an’ny distrika sasantsasany.
Latsaky ny 25 taona ny 70% ny Malagasy. Manodidina ny 13 taona no manomboka manao firaisana ara-nofo ny ankizy ankehitriny. Rehefa mbola ao an-tokantrano ny ankizy dia anjaran’ny ray aman-dreny ny manentana ny zaza sy mampianatra ny ankizy izay tokony hataony. Tsy tokony hisy fady ny fanabeazana fa ilaina ny mianatra ny momba ny fananahana ara-pahasalamana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Partager sur: