Tarika Telofangady : mampiaina hatrany ny mozika tena malagasy !

Ilay mozika misy fototra, misy fanahy tena Malagasy? Angadin’ny Telofangady izany. Noporofoin’ny tarika indray omaly, fa miaina ary manana ny hoaviny ny sanga­nasan’izy ireo.

“Gasikara” no tena nahafantaran’ny ma­ro ny tarika Te­lofangady… Nametraka ny lazany, saingy efa nihoaran-dry Haja sy ny tariny efa ela anefa izay. Efa “Gasikara 4” aza ny lohatenin’ny rakikira vaovao nivoaka, izay anisan’ny nampahafantarina nandritra ny seho notontosain’ny tarika omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Fampise­hoana nahavelombolo, satria voaporofo indray fa miaina ary manana ny toerana ny mozika misy fototra. Ilay fototra misy fanahy tena Malagasy, mivoaka amin’ny kanto voarindra sy tsara omana no nentin’ny Telofangady an-tsehatra.
Tsapa nandritra ny seho ny tsikombakomba eo amin’ireo mpikambana. Ny valihan’i Môda, mivady amin’ny gita­ran’i Haja sy Marco, haingoin’ny amponga sy ny sodin’i Petit. Ny feo tsy manampaharoan’i Christian sy Haja, notovanan’i Liva izay niverina ao anatin’ny tarika. Tsy nahatombina teny amin’ny fitoerany i Hery raha nandeha ny “Mba farafaharatsiny”, satria efa niara-dia taona maro tamin’ny Telofangady koa izy.
Harenan’ny tarika Telo­fangady io talentan’ny mpikambana tsirairay io. Na i Haja aza no mpamoron-kira amin’ny ankapobeny, fiaraha-misalahy no tena manjaka, raha tarafina tamin’ilay hira natao “acapella”, araka ny talentan’i Christian. “Ity fiainana ity e, lakana be siasia, raha tsy mitandrina ianao mety hikodia…”, hoy ny tonony izay mora noraisina kokoa. Nana­kaiky izay ny “Ingahindriana”, izay misy ventiny hotsakoina ny tonony. Mazava loatra, nandrasan’ny maro ry “Toa­masina”, “Iarivoko”, sns.
Tafita ny hafatra, efa azo antoka koa ny mpandimby: nampiakatra an-tsehatra ny zanany lahy i Haja, ho hankatoavin’ny mpankafy, na tsia… Tsara fiditra anefa i Rajo, nanao ny “Mirediredy” niaraka tamin-drainy. Miandry ny seho manaraka indray ny mpankafy.

Zo ny Aina

Partager sur: