Nitondra fanazavana momba ny fanolorana ny anarana ho praiminisitra ny depioten’ny Firaisankina, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa mazava ny voalazan’ny lalàna momba izany.
«Tsy afaka manolotra anarana ho praiministra lehiben’ny governemanta ireo solombavambahoaka tsy miankina na nanao fanambarana fa manohana sy miaraka amin’ny fitondrana aza », hoy ny depioten’ ny boriborintany I, Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tsy azon’izy ireo tanterahina izany na manana depiote maherin’ny 40 aza izy ireo. Notsiahiviny fa tsy vao izao ny solombavambahoaka mahaleo tena nivadika manohana fitondrana sy namitaka ny vahoaka nifidy azy. Notsindriny fa mazava ny voalazan’ ny Lalàmpanorenana. Ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena no manana fahefana hanolotra anarana praiminisitra. « Tsy afaka manao izany anefa ireo tsy miankina satria noferan’ny lalàna ho ny antoko politika na vondrona politika ihany no manolotra anarana ho lehiben’ny governemanta. Hafa indray raha hanova ny Lalàmpanorenana isika », hoy ihany izy.
Filoha lefitra sy filoham-baomiera ary kestora
Etsy andaniny, notsiahiviny ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny ho toeran’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera. « Anjaran’ny fanoherana ny filoha lefitra fahafito eny Tsimbazaza. Eo koa ny fahazoana toerana ho an’ny vaomiera. Manampy izany ny fahazoan’ ny mpanohitra ny kestora fahatelo mba ho amin’ny fametrahana ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana », hoy izy.
Araka izany, anjaran’ny depiote Irmar ny manolotra ny anarana praiminisitra amin’ny filohan’ny Repoblika, amin’ity herinandro ity. Ialohavan’ny fifidianan’ny depiote ireo handrafitra ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera izany ary koa ny ho filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimiera.
Synèse R.