Hanomboka anio ny fivoriana manokana iarahan’ny solombavambahoaka vaovao rehetra eny Tsimbazaza. Manimanitra olom-baovao ny eny an-dapa na dia ho maro anisa aza ny tonta navadibadika. Iaraha-mahalala rahateo ny fifandanjan-kery vaovao taorian’ny fifidianana. Mifanentanentana eo ny mpanohana fitondrana sy ny mpanohitra miampy ny tsy miankina. Tsy afaka mbola mitompo teny fantatra ny antokon’ny fitondrana satria manana olona 109 vao afaka maka fanapahan-kevitra tsy misy ahiahy.
Amin’ny alakamisy vao hisy fifidianana ny birao hitantana sy ny any anaty vaomiera isan-karazany. Mbola mikenonkenona sy hampandany ny fitsipika anatiny ny depiote, anio. Miandry ny fankatoavana avy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana kosa rahampitso. Aorian’izay vao hipetrapetraka ny olona hitarika ny fahefana mpanao lalàna.
Mifanindran-dalana amin’izay, efa miparitaka sahady ny resa-bola sy ny malety any ambadimbadika any. Maro ny tsilian-tsofina mivoaka amin’ny fividianana solombavambahoaka hamadika ny mpifidy azy ka hirona any amin’ny antoko politika na firehana iray. Mitobaka ny mena miraviravy, manoloana ny etika politika.
Toraka izany ny fametrahana izay ho mpikambana anaty governemanta. Misy ny solombavambahoaka efa manipitsipy resaka, na mifampiampanga amin’ny fivarotana sonia sy taratasy fanohanana. Ireo efa galifantsy sy tranainy no mampiana-dratsy ny depiote vao. Tonga hatrany amin’ny resaka fanaovana trosa sy fanaovana antoka ny fifampiresahana hono!? Asa re fa samy mila mailo sy malina hatrany ny manampahefana hisafidy ny olona hapetraka ho mpikambana anaty governemanta. Sao sanatrian’ny vava ka olona hikarama sy hangoron-karena. Tsy sanatria hisy ny ho voakaikitry ny amboakely tiana ka ho latsa-panenenana manoloana ny hodidina misy ankehitriny!
r.r