praiminisitra Ntsay Chistian : mitarika ny delegasionina malagasy any Chine

Tanterahina anio sy raham­pitso, any Guangzhou Chine, ny fihaonambe fahadimy momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandraisana anjara ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Anisan’ ny hiatrika izany i Madaga­si­kara, ary ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, no hitarika ny delegasionina malagasy ao anatin’ izany. “Ny fananganana ny vondrona ho an’ny hoavy iombonana avo lenta Chine-Afri­que” no lohahevitra dinihina mandritra ny fihaonambe.
Ny filankevitry ny minisitra, natao ny 3 jolay 2024, no nankatoavana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ity fihaonambe momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrique ity. Nahazo fanasana manokana avy amin’ny Asso­ciation du peuple chinois pour l’amitié avec l’étranger » (APCAE), ny praiminisitra ma­lagasy, Ntsay Christian. Hisy, araka izany, ny fandraisam-pitenenan’ity filohan’ny delegasionina ity mandritra izany. Eo ihany koa ny fihaonany amin’ireo sinoa tomponandraikitra ambony any an-toerana.
“Fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ i Chine sy ireo firenena Afri­ka­nina maro no tanjon’ity fihaonambe ity”, hoy i Wang Yi, minisitry ny Raharaham-bahinin’i Chine. Hisy vondrona hi­tsangana hanamorana ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy ireo firenena afrikanina, aorian’ity fihaonambe ity. Amin’ny ankapobeny, ny lafiny sosialy sy fananganana fotodrafitrasa no tena iompanan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine. Hohamafisina ny fanitarana izany fiaraha-miasa izany.

Lin

Partager sur: