“Mioty Fanahy” : Boky itambaran’i Zo-Maminirina sy Mampandriniaina Manitra

Tononkalo voafantina, sanganasan’ny mpanoratra roa manana ny maha izy azy, no mandrafitra ny “Mioty Fanahy”. Arahina velakevitra ny famoahana izany, rahampitso.

«Ny asa soratra: Mioty Fanahy». Io no lohahevitra iom­panan’ny velakevitra ho­ma­nin’ny Faribolana Sandra­tra, hotontosaina rahampitso alarobia 10 jolay, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika ny velakevitra, mandritra izany, ireo mpanoratra roa lahy, Zo-Ma­minirina sy Mampandri­niaina Manitra (samy efa mpandrindra ny Faribolana Sandratra, sampana Antananarivo).
Miainga avy amin’ilay fehezana amboara, mirakitra ny asa soratr’ireto mpanoratra ireto ny velakevitra. “Mioty Fanahy” ny lohateniny, izay hampahafantarina voalohany amin’io fotoana io ihany koa. I J. Nalisoa Ravalitera no na­nao ny “Ainga takotra” sy ny ala diso tamin’ny boky. Ny Faribolana Sandratra izay misy azy mirahalahy ihany no namoaka ny boky. “Efa tamin’ny volana marsa, izay volan’ny poezia ho anay Sandratra no saika havoaka izy ity, fa nisy ny fahasahiranana kely. Nokasaina enjehina ny volana jona, nandritra ny fanamarihana ny Iray volan’ny teny Mala­gasy indray, kanefa tsy tratra ihany koa. Izao vao tonga ny fotoana, na dia efa masaka efa ela aza izany”, hoy ny nambaran’i Zo-Maminirina. Tononkalo am-polony avy eo no notsongaina, izay tsy voafetran’ny lohahevitra fa midadasika toy ny talentan’ny mpanoratra ihany.
Tafiditra hatrany ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny Faribolana San­dratra ny velakevitra rahampitso. Fotoana hanentanana ihany koa ireo hanatrika mba hanjifa ny boky vaovao izany.

Zo ny Aina

Partager sur: