Basikety : handeha ho any Kosovo ny Ankoay

Hotanterahina any Ko­sovo, amin’ny faha-20 ny volana jolay ho avy izao, ny fifaninanana taranja basikety 3×3, “Le tournoi international Chal­lengers de Pristina”, sokajy lehilahy. Araka ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly, afa­ka miatrika izany ny Ankoay rehefa tsy vonona amin’ity hetsika ity i France, tompondakan’ny RunBall, izay natao tatsy La Réunion, ny faran’ny volana jona teo. Tsiahivina fa faharoa tamin’ity fifaninanana ity i Madagasikara.
Raha ny fanazavana azo, miomana amin’ny fiatrehana ny lalao Olympika izay hatao any Paris, ny ekipa nasionaly frantsay, ka tsy afaka hiatrika ity fifanintsanana atao any Kosovo ity. Nilaza ny teo anivon’ny FMBB fa efa manao fanazaran-tena ny Malagasy mpilalao, misy an-dry Elly, Livio, Arnol ary Fiary.
Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao efa niatrika fifanintsanana maro ry Elly sy ny namany. Anisan’izany ny fifanintsanana OQT, izay natao tany Debrecen, ny 16 hatramin’ny 19 mey lasa teo. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 i Madagasikara, ny 29 novambra – 1 desambra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: