Mivoatra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ihany koa ny famokarana horonantsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny velakevitra ho fampahafantarana ny “Intelligence artificielle”, tao anatin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”.
Tontosa, omaly, teny
amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka niresahana sy namelabelarana mahakasika ny « Intelligence artificielle » (IA) niarahana tamin’i Pierre Tessier. Ny IA manoloana ny famokarana sy fanatontosana horonantsary no lohahevitra nentiny nandritra izany. Ankoatra izay ny fampahafantarana ny IA amin’ ireo mpanatontosa sy mpamokatra horonantsary, mandray anjara amin’ny «Madagascourt Film Festival» (MFF). Tanjon’ny hetsika ny hahafehezan’ireo mpamokatra horonantsary ny fampiasana ny IA, ny haha matihanina sy ny hisian’ny horonantsary avo lenta.
Efa tena tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny horonantsary, indrindra ny famokarana, ny fampiasana ny IA, ankehitriny. Izany indrindra ny antony nanaovana ny velakevitra, indrindra ho an’ny eto Afrika. Anisan’ny miantoka ny kalitaon’ny horonantsary vokarina koa ny fahaizana mampiasa sy mifehy io teknlojia vaovao io. Raha ho an’ny aty Afrika manokana. Mbola vitsy ny mpamokatra mampiasa sy mahafehy izany. Maro ny tombony amin’ny fampiasana ny IA amin’ny famokarana horonantsary, eo ny fanamorany ny fanatontosana sy ny fanatsarany ny kalitaon’ny mpilalao sy ny sary sy feo. Misy akony ara-bola ihany koa izany satria mihena ny sandan’ny famokarana ilay horonantsary.
I Pierre Tessier, Frantsay mpilalao sarimihetsika no nitondra ny fahaiza-manaony sy nizara izany nandritra iny velakevitra iny. Izy izay anisan’ny mpamokatra horonantsary mampihatra ny IA amin’ny horonantsary vokariny. Anisan’ny nampiasana izany, ohatra, ny “Avatar: Le Dernier Maitre de l’Air”, « Seigneur des Anneaux », « Ant-man » ary « Deadpool ».
Lin




