Fanehoan-kanto efa fanao maneran-tany, saingy anisan’ireo zava-baovao anatin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, ny “Live Painting”. Notontosaina ny sabotsy teo ny voalohany, teny amin’ny Rovan’Ambohimanga. Samy naka zoro nampiaina ny aingam-panahiny ireo mpahay kanto nandray anjara. Avy hatrany dia fanehoana talenta mivantana no natao, amin’izay endrika hosodoko manavanana ny tsirairay. Nalalaka ireo mpanakanto tamin’ny fisafidianana ny akora ampiasainy sy ny fanehoana ny aingam-panahiny araka ny hita sy tsapa mivantana, teny an-toerana. Kanto dia kanto avokoa ny vokatra rehetra nivoaka nandritra izany.
Hitohy ny sabotsy 13 jolay izao ity “Live Painting” ity. Hatao eny Anatirova indray izany. Mitovy hatrany ny paikady: sady fanehoana ny talentan’ireo mpanakanto mpanao hosodoko, no fanandratana ireo harem-bakoka koa. Hisy fotoana hampirantiana amin’ny toerana iray ireo tabilao mivoaka avy amin’izany, izay havadika ho loharanom-bola ho an’ireo mpanakanto ihany koa.
Zo ny Aina




