Antananarivo sy ny manodidina ; Ezahina havoaka amin’ity herinandro ity ny valin’ny BEPC

Efa saika namoaka ny valim-panadinana BEPC avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra eto amin’ny Nosy. Andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity kosa ny an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina.

Efa namoaka ny valim-panadinana BEPC ny fari-piadidiam-pampianarana 43 manerana ny Nosy. Anisan’izany, Ambanja, Am­ba­tolampy, Anjozorobe, Am­ba­tomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Ankazobe, Man­jakandriana, Antanifotsy, Betafo, Faratsiho, Antsalova. Toy izany koa Befotaka, Be­nenitra, Beroroha, Besalampy, Iakora, Ifanadiana, Ikalama­vony, Maintirano, Mandoto, Mi­dongy Atsimo, Morafenobe, Sainte-Maire…Mbola eo am-pandikana ny naoty amin’ny solosaina kosa ny eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena (Men), afakomaly. Tsy nitovy ny fotoana namoahana ny valim-panadinana ho an’ireo fari-piadidiana manerana ny Nosy, noho ny hamaroan’ny mpiadina ho an’ny toerana sasany ka antony nahatara izany. «Andra­sa­na ao anatin’ny roa na telo andro, amin’ity herinandro ity, ny fotoana hamoahana ny valim-panadinana sy ny «délibération» ataon’ny mpampiana­tra ho an’ny eto Anta­na­nar­ivo Renivohitra», hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny Men, Rakotoarisoa Zo Lala. Tom­ba­nana hivoaka anio kosa ny ao Avaradrano.
Niakatra ny taham-pahafahana
Nahitam-piakarany ny fari-pahaizan’ny mpianatra tamin’ ity taona ity, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Amin’ny ankapobeny, manodidina na mihoatra ny 50 % mahery ny taham-pahafahana fanadinana BEPC efa nivoaka manerana ny Nosy, araka ny tatitra voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatrany. Nisafidy ny hanao ny taranja Anglisy avokoa ny ankamaroan’izy ireo, ra­ha ny fanazavana voaray ha­trany. Nahitana mpiadina betsaka afa-panadinana ny tany amin’ny Cisco Kandreho, mahatratra 84,06 % ny taham-pahafahana. Ny Cisco Besa­lampy kosa no ambany indrindra, izay manodidina ny
42,92 %.

Mino

Partager sur: