Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Bance du Leven » ny sambo kenyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny 8 jolay teo. Nandritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sambo mpanara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany.
Miisa 8 ny mpanjono tao anatin’ity sambo ity, ka teratany kenyanina ny 3 ary srilankey ny 5. Manana halava 14,25 m sy sakany 4,98 m ity sambo ity, ary milina manana tanjaka 160 Cv. Nahitana hazandranomasina antsantsa anaty lagilasy vao avy nojonoina, milanja 250 kilao, tao anatiny. Maromaro koa ny vombon’antsantsa sy sira, milanja 150 kilao eo ho eo. Tafiditra ao anatin’ny karazana hazandrano arovana, ahina ho lany tamingana ireo, ka tsy azo trandrahina. Manodidina ny 50 kilao koa ny trondro mangatsiaka tao anatiny, miampy fitaovam-panjonoana harato sy « palangre ».
Araka ny fanadihadiana, tsy manana fahazoan-dalana hanjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ity sambo ity. Sazy miandry azy ireo ny fandoavana lamandy 900 000 000 Ar hatramin’ny 2 100 000 000 Ar. Nogiazana ny sambo ary notaritina nihazo ny seranan’i Nosy-Be, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny, hanohizana ny fanadihadiana.
Njaka A.