Fahasalamana: Arahi-maso ireo avy any amin’ny firenena ahitana ebola

Araka ny naoty iraisan’ny minisitera laharana faha-569 momba ny fanamafisana ny fe­petra ara-pahalasamana eny amin’ny sisintany, voarara vonjimaika ny fidiran’ireo vahiny eto amin’ny tanin’i Mada­ga­sikara raha toa ka nandalo tany amin’ireo firenena voakasiky ny valanaretina ebola tao anatin’ny 21 andro. Ho fisorohana ny mety hidiran’io aretina io eto amintsika izany.
Ireo Malagasy na vahiny monina eto Madagasikara sy izay manana fahazoan-dalana manan-kery ka avy any amin’ireo firenena voakasiky ny aretina koa dia iharan’ny fihibohana na fitokana-monina mandritra ny 21 andro. Arahi-maso akaiky ny fahasalamany, araka ny fomba fiasa manan-kery.
Mihatra amin’ireo diplaomaty sy ireo teratany vahiny miasa anatin’ny fikambanana na vondrona iraisam-pirenena tsy miankina amin’ny fanjakana ihany koa ny fepetra noraisina.
Ny sarany rehetra mifandray amin’ny fitokana-monina dia anjara andraikitry ny olona voakasika.
Ankoatra izay, miato vonjimaika avokoa ny fandehanana na fivoahana mankany amin’ireo firenena voakasiky ny aretina ebola.
Ireo rehetra ahitana soritraretina mampiahiahy dia alefa avy hatrany any amin’ny sampandraharaha mahefa ary horaisina araka ny torolalana nasionaly.

Tatiana A

Partager sur: