VAOVAO TAMBATRA

Tokony tsy hihoatra ny 3 500 Ar, ny kilaon’ny lafarinina araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra. Misy ny manararotra satria be loatra ny elanelan’ny vidin’ny vokarina eto an-toerana, 175 000 Ar ny iray gony 50 kilao, nefa amidy 200 000 Ar ny lafarinina avy any ivelany.

Tambazotra herinaratra mampitohy an’i Toa­masina sy Antananarivo ny tetikasa PRIRTEM 1. Hanana tanjaka 220 kV ary mirefy 267 km. Nodinihina, omaly, ny drafitrasa ara-tontolo iainana, hitandroana ny tontolo mananaina (PAB). Mamatsy vola ny PRIRTEM 1, ny BEI sy ny BAD.

Manara-maso ny kalitaon’ny lalana amboarina ao an-tampo-tanànan’i Toamasina ny laboaratoran’ny asa vaventy LTPB. Anisan’izany ny asa fanamboarana ny ampahany faharoa amin’ny arabe Ratsimilaho sy ny lalana RN5 eny amin’ny Jovena Ambalamanasy, mifandray amin’ny RN 2 Saint Paul.

Anisan’ny anaovana ny hetsika « titre vert », mahakasika ny fizarana tany hojarian’ny tanora tany ny fokontany Mahalavolona, kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe. Miisa 49 ny tanora misitraka izany, ka ny 10% tamin’izy ireo no nitrandraka ny taniny tamin’ity taona ity. Mampiasa ny ¾ na ny antsasaky ny taniny ny 70%. Hiandry amin’ny 2025 ny hafa.

Partager sur: