TARATRY ny KANTO

Homarihina an-tsehatra ny tsingerin-taonan’i Nini Kiaka. Afakomaly ilay tena andro lehibe, saingy hanaovany fety miaraka amin’ireo mpankafy izany, ny alahady 14 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Karibotel Analakely. Hanampy azy an-tsehatra mandritra izany ireo mpitendry sy mpihira naman’i Nini.

Tanterahina anio, eny amin’ny AFT Andava­mamba, ao anatin’ny hetsika « Tantara fohy », ny atrikasa “Zaho sy ny sehatra”. Hita ao anatin’izany ny mahakasika ny dihy, iarahana amin’i Sitraka Haro. Eo ihany koa ny Slam, iarahana amin’i O. Rad, maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra izy ity.

Tontosaina anio, eny amin’ny IFM Analakely, ao anatin’ny MFF, andiany faha-19, ny hetsika fandefasana horonantsary “Quand les etoiles rencontrent la mer”, notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ny tafa sy adihevitra mahakasika io horonantsary io, aorian’izay, iarahana amin’ny mpanatontosa azy sy i Sylvin Marc.

Mbola lavitra amin’ny Malagasy ny hanome hasina ny zavakantony sy ny kolontsainy, raha toa ka tsy ny fototra mihitsy no hay. Tsara ny mitafy lamba landy, saingy, tsy ampy izany raha tsy fantatra ny momba ny landy. Fatratra ny mikabary, saingy, tsy feno izany raha tsy hay ny votoatin’ny kabary. An’ny Malagasy ny valiha, kanefa, vitsy ny mahay momba io zavamaneno io!

Partager sur: