Nametra-pialana, halina, ny governemanta Ntsay Christian. Andrasana ny lisitra, ahitana ny handimby ny praiminisitra. Miandry ny fametrahana birao maharitra ao Tsimbazaza izany.
Nisaorana! Nametra-pialana halina ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nosoniavin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny fanekena izany fametraham-pialany izany. Efa nanomboka nialoha izany ny fifandresen-dahatra sy ny ady varotra politika any ambony rehetra any ny amin’ny ho eo amin’ny toeran’ny lehiben’ny governemanta. Efa maromaro ireo anarana mandeha heno etsy sy eroa. Mbola voatonontonona sy mety ho anisan’ny hatolotry ny depiote maro anisa ihany i Ntsay Christian. Eo koa anefa ny depiote isany, Fienena Richard sy ny minisitra Ramonjavelo Valery. Anisan’izany koa ny fielezan’ny feo fa ho vehivavy no ho praiminisitra ka mety ho ny depiote Sahondrarimalala Michelle.
Efa voaresaka tany amin’ny fampielezan-kevitra rahateo ny momba izany, ipetrahan’ny miralenta sy ny fampandraisana andraikitra bebe kokoa ny vehivavy. Mbola iandrasana ny fitsanganan’ny birao maharitra etsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, anio, koa anefa izany amin’ny alalan’ny takalom-patsa vidim-pihinana amin’ireo toerana samihafa amin’izao faharavan’ny governemanta sy ny seza eny amin’ny Antenimierampirenena izao.
Ho tompon’ny teny farany
Ho tompon’ny teny farany, araka ny voalazan’ny lalàna, ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta.
Tsiahivina fa nitsangana ny 14 janoary teo izao governemanta, nametra-pialana izao. Ahitana mpikambana miisa 27. Nomena fe-potoana 100 andro avy hatrany izy ireo ho amin’ny fanatanterahana ireo andry telo nambaran’ny filoham-pirenena tamin’ny fampielezan-kevitra. Efa natsidiky ny filoha, Rajoelina Andry, tany Toamasina koa anefa fa ahisaka ireo tsy maharaka ny hafainganam-pandeha amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasany faharoa izao.
Araka izany, andrasana tsy ho ela izany ny fanendrena ny praiminisitra sy ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Mandra-piandry izany, mampandeha ny asa andavanandro aloha izany ireo minisitra sy ny praiminisitra.
Synèse R.