Antenimierampirenena: nafana ny adihevitra momba ny fitsipika anatiny

Andrasana anio, ny ho fanapahan’ny HCC na mifanaraka na tsia amin’ny Lalàmpa­norenana ny fitsipika anatiny, novolavolain’ireo depiote. Hirosoana avy hatrany ny fifidianana ny filohan’ny Anteni­mierampirenena sy ireo ho filoha lefitra isam-paritany ary koa ny toeran’ny filoha lefitra fahafito, ho an’ny mpanohitra. Tahaka izany koa ny fifidia­nana ireo ho filoham-baomiera. Manampy izany ny momba ny fananganana ny vondrona parlemantera.

Nangotraka ny fifandaharana momba ny fitsipika anatiny. Itovian’ireo depiote hevitra ny momba ny fomba handrafetana ny mpikamban’ny birao maharitra. “Tokony ho hita taratra amin’izany ny demokrasia. Ahitana ny maro anisa sy ny tsy miankina ary ny Firai­sankina izany”, hoy ny depiote, i Gascar Fenosoa.

Anisan’ny niadiana hevitra ny toeran’ny filoha lefitra fahafito, anjara sezan’ny mpano­hitra. Teo koa ny momba ny famerana na tsia ny faha­zoan’ireo depiote manao tatitra any amin’ny fari-piadidiana nahavoafidy azy na distrika hafa.

Synèse R.

Partager sur: