“Mila zava-baovao ny vahoaka malagasy, mila fihetsiky ny filohan’ny Repoblika mampiseho fitaratra vaovao hahatonga ny olona havitribitra handeha any amin’ny fampandrosoana”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fananganana governemanta vaovao. Endrika vaovao hitondra ho amin’ny fanavotam-pirenena izany. Hitondra ho amin’ny fampandrosoana izay governemanta hijoro eo, hahita izay laharam-pahamehana voalazan’ny politikan’ny filohan’ ny Repoblika sy ny polikam-pirenena. Tsy maintsy izay no jerena ary hametraka governemanta vonona hanala ny fahasahiranan’ny Malagasy, izay mbola hisy krizy mafimafy no ho izao raha izao no mitohy, araka ny nambarany. Tsy hanova na inona na inona ny fanohanan’ireo depiote tsy miankina ny fitondrana. Satria efa manana depiote 84 ny Iramar. Azy ny maro anisa feno sy tanteraka, hahazoany mifidy izay tiany hofidina ho filohan’ ny Antenimierampirenena sy hatolotra ho Praiminisitra.
R. Nd.