Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM). Nambaran’ny birao politika fa mijanona hatrany ho mpanohitra izy ireo.
Nitondra fanazavana ny toeran’ny MMM manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny birao politika, ny Me Ramilison Toky. Nambarany fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ho avy izao izy ireo. “Miainga amin’ny maha antoko velona sy miaina ary mandàla ny fitsinjaram-pahefana anay izany”, hoy izy. Na izany aza anefa, nohitsiny fa mitohy hatrany ny fitakiana ho amin’ny hanadiovana ny tokotany mba hanatsarana ny tontolon’ny fifidianana. Anton’izany ny mba hivoahan’ny tena safidim-bahoaka, araka ny tokony ho izy ka ho afaka hampandroso ny fari-piadidiana misy azy ny olona lany eo, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nanteriny fa mbola mijanona hatrany ho antoko mpanohitra ny eo anivon’ny MMM. “Misokatra amin’ny fifampiresahana izahay raha ilaina ny famondronana hery ary vonona ho amin’ny fifampidinihana rehetra iarahana amin’ny herivelona”, hoy ihany izy.
Mitaky ny fanarahan-dalàna hatrany
Ankoatra izany, notakin’ny MMM hatrany koa ny fanarahan-dalàna, indrindra ho an’ireo nampindramina fahefana manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny. “Tahaka izany koa ny fitakianay ny fanajana ny fisaraham-pahefana araka ny voarakitra ao anatin’ny Lalàmpanorenana”, hoy ihany ny eo anivon’ny birao politikan’ny MMM, ny Me Ramilison Toky.
Tsiahivina fa nandray anjara hatrany tamin’ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena ny antoko, izay naorin’Andrianainarivelo Hajo, afa-tsy tamin’ny taon-dasa. Anisan’ny anton’ izany ny “Hetsika fotsy”, tsy nanekena ny “mpitondra vazaha” hitantanana ny firenena tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, farany teo.
Synèse R.