Nifarana omaly, ny fihaonambe faha-5 momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika mahakasika ny fitsijaram-pahefana sy ny fampandraisana anjara ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, natao tany Chine. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny delegasionina, notarihin’i Ntsay Christian. « Mafy orina ny fifandraisana sy fiaraha-miasa misy eo amin’i Sina sy Madagasikara. Taratr’izany ny fifanojoan’ny tanjona tiana hapetraka ho fampandrosoana ny firenena, izay mifototra betsaka amin’ny fitsinjaram-pahefana », hoy i Ntsay Christian, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Anisan’ny foto-kevitra napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fampivelarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ho fampandrosoana ny firenena. Faritra maro no efa niroso amin’ny fifandraisantsika amin’i Chine eto amintsika. Namafisin’i Ntsay Christian ihany koa ireo tanjona mbola tokony hotratrarina amin’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny Chine sy Afrika. Anisan’izany ny fampivelarana ny fifanakalozana ara-teknolojiam-pamokarana sy ara-barotra mifototra amin’ ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampirisihana ny mpampiasa vola hiditra kokoa amin’ny tontolon’ny indostria, ny angovo, ny taozava-baventy ary ny fandraharahana ara-bola. Eo ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanavaozana ny fomba fiara-miasa ho tombotsoan’ny roa tonta.
Lin