Fivahinianana Masina: nentina am-bavaka tany La Mecque i Madagasikara

Miisa 40 ireo Malagasy nia­trika ny fivahinianana Masina natao tany La Mecque, any Arabie Saoudite, herinandro vitsy lasa izay. Anisan’ireo voafidy sy voasa manokan’ny mpikarakara ny lefitry ny lehiben’ny fonjan’i Tsiafahy, i Char­les Arnaud Ioussouf. Namba­rany amin’izao andro voalo­han’ny kalendrie silamo izao fa zava-dehibe amin’ny fitsinjovana ny hoavin’ny olombe­lona mino sy madio ny fivahinianana tany an-toerana. « Laha­ram-pahamena ho anay ny fitrotroana am-bavaka ny hoavin’ny firenena Malagasy. Anisan’izany ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny asa », hoy izy. Nanteriny koa fa ny fangataham-pitahiana ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tafiditra anatin’ny fanompoana ny fitiavan-tanindrazana ary manan-kasina i Madagasika­rantsika ity, araka ny nambarany.
Mpiasan’ny fonja tia ma­nampy ny hafa sy misokatra amin’ny rehetra i Ioussouf. « Tia manampy ny hafa na inona na inona finoany sy fihaviany », hoy ireo mpiara-miasa aminy.
Etsy andaniny, ahitana ma­namboninahitra eo anivon’ny tafika sy polisivavy koa nanao ny fivahinianana tany La Mec­que. Nihazo ny tany Madina koa izy ireo, ary nivavaka tao amin’ny mosken’ny mpaminany Masina Mohamed.
Tsiahivina fa toerana manan-danja amin’ny finoana silamo maneran-tany ny any La Mecque ary natao tany an-toerana ny « hajj », fototra fahadimy ho an’ny silamo ary efa fanao isan-taona.

Synèse R.

Partager sur: