Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny masoivohon’i Frantsa, omaly. Notanterahina teny anivon’ny IFNP Mahamasina izany. Na­hitana fitaovana maro toy ny valizy misy “tablette” 24, ordinatera, video-projecteur, fihainoana, clés USB ary indrindra “edbox” miisa 140. Hisitraka izany ny ivontoeram-panabeazana Lycée anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny MEN. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Eduscac” ity hetsika ity. Izay hikendrena ny fomba fiasan’ny mpampianatry ny Lycée ka hampiharana ny fombam-pampianarana vaovao OSE ( Fikambanana, fiarahamonina, Toekarena), apetraky ny mi­nisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Hanam­pia­na ny mpampianatra sy hanofanana azy ireo ireto fitaovana vaovao ireto. “Mba hahafahany mizara fahalalana vaovao any anaty efitrano fianarana ka hanatsarana ny kalitaom-pampianarana misy eto Ma­da­gasi­kara ary hahafahan’ireo mpampianatra mikaroka fa­halalana hatrany”, hoy i Patrick Bos­dure, talen’ny Ivontoeram-pampianarana frantsay eto Madagasikara (IFM). Maro ny mpiara-miasa amin’ity te­tikasa ity. Anisan’izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny sekoly IFNP miisa 28, ny Alliance Française ary ny “Acces Mad”.
Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny marsa teo ity tetikasa “Eduscac” ity ka hi­farana ny taona 2024. Fanan­dramana aloha no atao fa tsy maintsy ho tonga any amin’ireo faritra 12 ireo ny fitaovana, hoy ny tompon’andraikitra. Hery lehibe ho an’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena ny fahazoana ireto fitaovana ireto, hahafahana manatanteraka ny fa­novana kendrena hatao eny anivon’ny fampianarana.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: