Milahatra mividy fanafody gripa avokoa ny ankamaroan’ny olona, eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra teny amin’ireo trano fivarotam-panafody “Pharmacie”, izany. Araka ny fanadihadiana natao, ireo fanafody mampitombo hery fiarovana sy izay mampidina hafanana no tena mandeha sy tadiavin’ireo mpanjifa.
Nilaza ny dokotera fa mirongatra tanteraka ny gripa eto amintsika ankehitriny, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ireo olona, tsy nahavita vaksiny fanefitry ny valanaretina Covid-19 ara-dalàna. “Mila mitandrina ihany ny Malagasy rehetra amin’ny zava-miseho ankehitriny. Ilaina ny manatona ny tobim-pahasalamana (CSB II), raha toa ka misy zavatra mitranga hafahafa amin’ny vatana.” hoy i Hasina, mpitsabo.
Marihina fa tsy ilana taratasy fanamarinana na “ordonnance” ireo fanafody miady amin’ny gripa, toy ny vitamina, ny “Paracetamol”, ary ny “Doliprane”. Na izany aza, mitaky izany kosa ireo antibiotika. Anisan’izany ny “amoxicilline” sy ny “ampicilline” sy ny maro hafa.
Fitia (Mpianatra Asa)