« Lignes de failles »: hasongadina anatin’ny zavakanto ny fanatanjahantena

Ny 24 aogositra 2024 no hifarana ny hetsika «Lignes de failles», atao eny amin’ny Institut français de Madagas­car (IFM) Analakely. Fampi­rantiana sary sy fandefasana horonantsary ary velakevitra arahina adihevitra no mandrafitra ity hetsika ity. Mpahay kanto miisa telo samihafa no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao sy mandranty ny haikantony eny an-toerana.
Rijasolo sy Jean Luc Andrianasolo, samy mpahay kanto, mpaka sary pika sy Vony Ranala, mpahay kanto marolafy no nandrafitra ny hetsika “Lignes de failles” ary mampiranty ny haikanton’izy ireo eny an-toerana. Mitaona ny olona hanopy maso any amin’ny fanatanjahantena, ao anatin’ny faritry ny tetikasa “Lignes franchissables”, ny hetsika. Ao anatin’izany no ahitana ny velakevitra “Ny haikanto sy ny fanatanjahantena”, atrikasa fanaovana sary “Ireo fihetsika amin’ny fanatanjahantena” ary ny fandefasana horonantsary “L’esprit Coubertin”.
Amin’ny ankapobeny, fa­nehoana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireto mpanakanto ireto no tanjona amin’ny hetsika.

Lin

Partager sur: