Mbola notendren’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ho praiminisitra, i Ntsay Christian. Nambarany fa hotohizana ny dingana vita sady nahafeno ny masontsivana napetraka ity lehiben’ny governemanta ity.
Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, tamin’ny nandraisany ireo depiote maro anisa nanolotra ny anarana praiminisitra fa hanamafy ny hafainganam-pandeha isika izao. Mifanaraka amin’izany indrindra ny nanendreny ho praiminisitra indray an’i Ntsay Christian. Mamaly ny fepetra sy ny masontsivana napetraka rahateo izy. Anisan’izany ny fananana traikefa sy ny fahaiza-manao, hanohizana ny asa efa vita. Ny fahafantarana ny firenena sy ny fahaizana mitarika ny mpanatanteraka. Eo koa ny amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Ny fahafehezana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Ilana fahaiza-manao sy fahaizana mifampiraharaha izany. Eo koa ny toekarena sy ny lalàna ary azo ametrahana fitokisana sy tsy mivadika”, hoy izy.
Nialoha izany, nitodika amin’ ireo depiote maro anisa ahitana ny Irmar sy ny tsy miankina, miisa 100 manohana ny fitondrana ny tenany. Nohitsiny ny tsy hamitahana ny vahoaka sy ny tokony hihainoana ny hetahetany. “Mitaky andraikitra ny nifidianana anareo ary masina ny safidim-bahoaka ka ilaina hajaina izany”, hoy izy. Nampanantena ny filoha fa hiarahana mampandroso ny distrika. Anisan’izany ny famolavolana ny tetibola hiantraika amin’ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.
63 taona izao ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nanomboka ny 4 jona 2018 no praiminisitry ny marimaritra iraisana izy, fony fitondrana Rajaonarimampianina. Voatendry ho lehiben’ny governemantan’ny fitondrana Rajoelina nanomboka ny janoary 2019 ka hatramin’izao. Efa niova indimy ny governemanta fa mbola teo amin’io toerana io hatrany izy. Ny 10 jolay teo no nametra-pialana ny governemanta notarihiny ary izao izy naverina amin’ny toerany izao.