Manokana vola mitentina 79 miliara dolara ny fanjakana. Maneran-tany 400 tapitrisa ny vohoka tsy iriana azo sorohina ary 1 tapitrisa ny isan’ny vehivavy ho avotra. Raha ampiana ny isan’ny mpampivelona mikarakara ny fahasalaman’ny vehivavy, 41% amin’ny fahafatesan’ny vehivavy ho voasoroka avokoa.
Hahazo vahana ny varatraza, tombanana hitondra alondrano any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy izany. Hahery ny ranomasina ho an’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana. Manomboka anio ka hatramin’ny rahampitso ny fampitandremana. Hisy fidinany ny maripana ambony indrindra saika manerana Nosy.
13 taona no manomboka manao firaisana ara-nofo ny ankizy eto amintsika, araka ny fanadihadiana natao. Ilaina, noho izany, ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly sy ivelan’ny sekoly hanomezana torohevitra ho an’ny ankizy hisorohana ny vohoka aloha loatra sy ny fidirana amin’ny fanalan-jaza izay mbola voararan’ny lalàna malagasy.