Marinna Lemary : niverina ho Arnaah…

Safidy goavana! Fa manana ny antony azy manokana, izay tsy mbola nambarany aloha hatreto i Arnaah. Eny, niverina ho Arnaah indray ny anarana entin’ity mpanakanto ity an-tsehatra, ary manaporofo izany ilay rakitsara vaovao, navoakany omaly. “Mavandy” ny loha­teniny, izay hira noforonin’i Nofar Tafara, natao hifanaraka amin’ny feo sy ny gadona mety amin’i Arnaah, toy ny nahafantarana azy taloha.
Dia ahoana ilay Marinna Lemary, anarana nentiny fony izy nanapa-kevitra ny hiala amin’ny “hiran’izao tontolo izao”, ka hirona manontolo amin’ny fiderana an’Andria­ma­nitra? Tsy mbola nahazoana fanazavana ihany koa ity mpanakanto ity, mahakasika izay.
“Heverinao moramora ra­mose, ny mameno ilay banga navelako e?”. Izany ny ampahan’ny tononkiran’ny “Mavandy”. Hira mifono hafatra ka miantefa amina olona manokana ve? Avela ny mpankafy azy haminavina. Ny azo antoka aloha, efa hiaka-tsehatra hiaraka amin’i Ceasar any Antalaha izy, ny 2 aogositra ary any Sam­bava, ny 3 aogositra. Hofonga­rina hanampy ireo hira vaovao ny taloha efa nampiriminy ela.

Zo ny Aina

Partager sur: