Namoaka fanambarana sady tatitra momba ny fifidianana depiote farany teo ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, Safidy, ny herinandro teo. Maromaro ireo fitakiana ho fanatsarana ny fifidianana.
Nambaran’ny Safidy fa mbola misy ny tsy fahampiana sy ny tsy fifandrindrana eo amin’ny lalàm-pifidianana ankehitriny. “Eo ny tsy fampiharana ny fepetra momba ny fangaraharahan’ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra sy ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny Safidy fa niteraka ahiahy teo amin’ny mpandray anjara ny tsy famoahana miaraka ireo didim-panjakana momba ny fifidianana. Midika ho fandikan-dalàna sy fanohitohinana ny fitoviana lenta eo amin’ny samy mpifaninana izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Tsikaritry ny Safidy koa fa nisy tolo-kevitra avy amin’izy ireo noraisin’ny Ceni, indrindra ny fanehoana fisokafana bebe kokoa amin’ireo mpiantsehatra samihafa. “Mbola mitoetra hatrany anefa ny fanakianana momba ny fahaleovantenany sy ny fiandanian’ireo mpikambana ao aminy ary koa ny tsy fahampian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny tetibola”, hoy ny Safidy. Mbola olana ny fahazoana vaovao ilaina sy ny kalitaon’ny fampiofanana ireo rantsamangaikany.
Fanatsarana ny lisi-pifidianana
Etsy andaniny, nambaran’ny Safidy fa nahitana fiakarana kely 5,32% ny vokatry ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana farany raha oharina tamin’ny vokatry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ny taona 2023. Mbola ilaina hatrany ny fanatsarana ny lisi-pifidianana. “Lasa an-jorombala ireo vondron’olona sasany, toy ny tanora 18 taona mihoatra , ny vehivavy ary ny olona manana fahasembanana”, hoy izy ireo.
Synèse R.