FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe, naneho ny hatezerany noho ny famadihana ny voka-pifidianana, ireo vahoaka ao Maevatanana, ny sabotsy teo. Namba­ran’ireo vahoaka fa tsy eken’izy ireo ny didin’ny HCC ary niahiahiny koa fisiana kolikoly izao nahazoan’ny kandidà Irmar ny fandresena izao. Nohadihadian’ny zandary ilay kandidà, Rasoarimalala Georgette, sy ny mpomba azy vitsivitsy.

Noraisin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, ny herinandro teo, ny solontena avy amin’ny Amnesty international, avy nitsidika ny faritra Atsimo sy ny any Boeny. Nijery ifotony ny fiainan’ireo mpifindra monina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro izy ireo tamin’izany. Tanjona ny fampahafantarana ny paikady hiadiana amin’izany ary koa ny fepetra raisina ho fiarovana ny zon’olombelona.

Miisa 50 ireo fiarahamonim-pirenena niray feo, nitaky ny fampitsaharana ny tetikasa “Autoroute Tanà-Toamasina”. “Ilaina dinihina aloha ny fanatanterahana an’ity asa ity ary mila jerena ihany koa ny tena laharam-pahamehana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny ara-javaboahary sy ny ara-pamokarana.

Nohamasinina sy napetraka amin’ny fiketrahana amin’ny maha-evekan’ny diosezin’i Maintirano azy, omaly, ny Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo. Teny fanevany : “Ampy ho anao ny fahasoavako” (2Kor 12, 9b). Niatrika izany tany an-toerana, nanotrona azy, ireo avy eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka sy ny solontenan’ny papa Fransoa.

Partager sur: