Ho fanoitran’ny fampandrosoana, hanamafy ny fihavanana… Ho tafara-dalana ao anatin’ny « Festival Voasary » ny kolontsaina sy ny toekarena tanterahina any Antsatramidola Andoharano, distrikan’i Mandritsara.
Ny 2 ka hatramin’ny 4 aogositra izao, hotanterahina ao amin’ny kaominina Antsatramidola Andoharano, anatin’ny distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia, ny andiany voalohany amin’ny « Festival Voasary ». Raha ny fanazavan’i Lelah Magneva Patron, loharano nipoiran’io Festival io: « tanjona ny ahafahana mampahafantatra amin’ ireo mpandraharaha sy ny tomponandraiki-panjakana miahy ny fambolena ary ireo rehetra tsara sitrapo vonona hampandroso ny toekarena fa tanànan’ny voankazo tsara kalitao azo ahodina ho ranomboankazo ara-pahasalamana. Ahafahana mametraka rafitra fiharian-karena goavana mitarika any amin’ny famoronana asa maro ny any an-toerana. Ao anatin’ireo Dimy kaominina loharano mangarahara (Ambarikaika, Ambilombe, Ankiakabe Fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana Kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, Faritra Sofia, noho ireo vokatra marobe ananany (goavy, ampalibe, zavokà, letisia, manga hatramin’ny voly vary, jirofo, voanjo) ».
Ambohipihaonana ho amin’ ny fanamafisana orina ny firaisankina, ny fihavanana eo amin’ireo mponina sy ahafahana mitondra fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ny paikady mahomby ho fampandrosoana ireo kaominina any an-toerana ihany koa ny « Festival Voasary ». Omena lanja ny zavakanto sy ny mpanakanto ary ny kolontsaina any an-toerana. Anisan’ny hanafana ny sehatra ry Kakabe Djino, Red soukouss, Doscar, Leroky, Vaiavy Chila ary Zandry Kaja.
Fantatra fa ny mahasoa sy ny mahafinaritra no hotovozina anatin’ny « Festival Voasary » andiany voalohany, any amin’ny kaominina Antsatramidola Andoharano.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto