Amin’ny ankapobeny, niakatra ny taham-pahafahana fanadinana BEPC taona 2024 ho an’ny Cisco Toamasina I, araka ny fanazavana azo. Nahatratra 62,36% ny tahan’ny mpianatra tafita soa aman-tsara ka nahazo ny mari-pahaizana BEPC. Mpiadina 5 072 no tonga nanatrika fanadinana, raha 5375 kosa ny voasoratra anarana. 303 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy tonga mihitsy nandritra ny hefarana.
Ny taona 2023, teo amin’ny 60,76% ny taham-pahafahana BEPC, raha 54,97% kosa izany ny taona 2022. Nihatsara isan-taona ny fari-pahaizan’ny mpiadina raha tarafina ny vokatra azo tao anatin’ny telo taona nifanesy.
53 taona ny mpiadina zokiny indrindra, raha 11 taona kosa ny zandriny indrindra, amin’ireo mpiadina tao Toamasina ary samy afaka avokoa izy roa ireo. Momba ny naoty nandritra ny fanadinana, nahatratra 18,78/20 ny ambony indrindra azon’ny mpiandina, tao amin’ny CEG de réference. Fito ny foibem-panadinana nandray ireo mpiadina tamin’ity taona ity ary niaina ny olana vokatry ny tranga niseho tamin’ny laza adina Anglisy izy ireo. Nisy fahatarana ora iray sy sasany ny fiatombohan’ny fanadinana.
Sajo