INDRAY MIJERY

Nanao tatitry ny asany teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampianarana garabola, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney iray. Ankoatra ny fizarany ny fomba fampianarana, nisy ny fiofanana natao ho an’ireo mpampianatra. Niara-niasa tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra koa izy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanabeazana ny ankizy.
Taorian’ny faritr’i Menabe, teto Analamanga indray no nanohizan’ny tetikasa M’Iray ny atrikasa narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fahafinaretana. Fotoana nahafahana nampahafantatra ny zony sy ny tena zava-misy marina manodidina ny fahasalamana ara-pananahana, niarahana tamin’ny fikambanana Autisme Madagascar.
Manomboka ny fandraisana fisoratana anarana vaovao ho an’ny mpianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina. Ahafahan’ny mpitantana mamaritra ny isan’ny mpianatra avy any ivelany hiditra ny famandrihana. Tsy mandray amin’ireo kilasy hanomana fanadinana kosa ny sekoly sasany hisorohana ny fidinan’ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana.
Nahazo vahana hatrany ny tsiokan’ny varatraza any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, nandritra ny roa andro, fa tombanana hihamalefaka miandalana izany manomboka anio. Foana avokoa ny vinavinan’ny filazana fampitandremana momba ny alondrano ho an’ny roa andro manaraka.

Partager sur: