“Forum Mini-Basket” : ankizy 400 hanaraka fiofanana

Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa no hizara ny traikefany amin’ireo ankizy ireo, ka hitarika izany ireo manam-pahaizana espaniola, i Guillermo Calvo, sy ilay Maraokanina, i Amri Nour. Omaly no nandraisana ireo ankizy handray anjara ary avy hatrany dia hikatroka izy ireo anio. Araka ny fandaharam-potoana, haharitra hatramin’ny 18 jolay izao ity atrikasa ity. Tanjona ny hanomezan-danja ny taranja basikety ho an’ny ankizy ary hitarihana azy ireo hankafy ity taranja ity. Marihina fa tany Tanzanie no nanaovana ny andiany faha-5, tamin’ny taona 2023 ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany ihany koa i Madagasikara. Ny Fiba Afrika sy ny Fondation Fiba no mikarakara ny “Forum Africain Mini-Basket” izay hatao amin’ny firenena afrikanina isan-taona.

Mi.Raz

Partager sur: