Naneho hevitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny MFM, amin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Jean Ignace (Ramasy). Anisan’ny tolo-keviny ny hanomezana tombon-dahiny ny eny ifotony ka anisan’ny dingana ahatongavana amin’izany ny fandraisana andraikitry ny filohan’ny Repoblika. “Manana fahefana ny filoham-pirenena amin’ny ahafahany mikitika ny And 162 amin’ny Lalàmpanorenana ka mampiantso eo anivon’ny filankevitry ny minisitra sy ny Antenimierampirenena amin’ny hametrahana ny rafitry ny fokonolona eny anivon’ny fokontany”, hoy izy. Nanteriny fa ahafahana mampandroso ny firenena izany ary tsy hisehoan’ny fanonganana. Antony iantsoan’ny MFM ny tokony hifampiresahana sy hifampidinihan’ny mpitarika antoko politika rehetra ary iantsoana ny filohan’ny Repoblika ka hivoahana amin’ny krizy, araka ny nambarany. Notsindriny koa fa zava-dehibe ny fanitsiana ny lalàna mba tsy hiverenan’ny tsy fahatomombanana lava. Anisan’izany ny fametrahana ny Fitsarana manokana hisahana ny fifidianana (CES). Natao ho mpiandry ny Lalàmpanorenana kosa ny eo anivon’ny HCC, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahiviny fa azo atao anaty fifampiresahana avokoa izany. “Tsy midika ho resaka seza satria efa nandeha sy vita ny fifidianana. Manamboatra isika izao ary izahay koa tsy mitady toerana”, hoy izy.
Synèse R.