Herinandro mialoha ny fanadinana bakalorea, mbola misy sekoly manome fizarana samihafa hatramin’ny zoma izao hanamasahana ny fahalalana.
218 359 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2024, araka ny fampitaom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. 207 097 ny mpiadina amin’ny sokajy fampianarana ankapobeny, raha 11 262 ny sampana teknika manerana ny Nosy. Ho an’ny fampianarana teknika sy arakasa, 211 ny sokajy technologique ary 11 041 ny teknika sy arakasa. Ho an’ny sokajy fito azon’ny mpiadina hisafidianana, ny sokajy C no manana mpiadina vitsy indrindra 1 607 ho an’ny faritany enina. Ny sokajy A2 no ahitana mpiadina betsaka indrindra, toy ny isan-taona, mahatratra 126 766. Manaraka ny sokajy D 28 202, ho an’ny sokajy L 15 340 ny mpiadina, 14 034 ny sokajy S, 10 646 ny sokajy OSE, 10 502 ny sokajy A1.
Betsaka ny ezaka ataon’ny mpanabe hisarihana ny mpianatra hisafidy ny sokajy siantifika manomboka eo amin’ny kilasy fahafolo, 2nde, indrindra ho an’ny zatovovavy fa mbola misongadina rehefa misafidy sokajy amin’ny fanadinana bakalorea ny A2.
Mahatratra 17 041 ny mpiadina tsy miankina amin’ny sekoly tamin’ity bakalorea ity ho an’ny faritany enina raha 210 318 ny mpiadina natolotry ny sekoly.
Eto Antananarivo, 80 435 ny mpiadina ka miahy tena ny 7 592 amin’ireo. 72 843 ny mpiadina miankina amin’ny sekoly. Fianarantsoa no manana mpiadina betsaka manaraka ny Renivohitra, ahitana 35 826, avy eo i Toamasina 33 322, Toliara 27 418, Mahajanga 24 736 ary Antsiranana 16 622.
Hotontosaina ny 22 ka hatramin’ny 26 jolay ny bakalorea fampianarana ankapobeny sy ny dingana voalohany ho an’ny sampana teknika. Ny 29 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra kosa ny sampana teknika dingana faharoa. Mbola maro ny sekoly manome fampianarana fanampiny herinandro mialoha ny fanadinana.
Vonjy