Mpianatra 14 tamin’ireo 16 niatrika ny fanadinana BEPC no afa-panadinana tamin’ity taona ity tao amin’ny Akanin’ny marenina (Akama) 67Ha. 100% kosa ny fahafahana CEPE tao an-toerana. 5 kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ny herinandro. Ankoatra ireo mpianatra manana olana amin’ny fandrenesana, mandray mpianatra mandre koa ny akany.
Nanao tatitra ny Dren Boeny fa mihatsara ny voka-panadinana BEPC ho an’ireo Cisco 7 ao an-toerana. 52,68% izany tamin’ny taona 2022, niakatra ho 55,69% tamin’ny taon-dasa ary lasa 61, 36% tamin’ity taona ity. Maro ny ezaka ataon’ny fari-piadidiam-pampianarana hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
Nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2020, nidina teo amin’ny 34% ny taham-pahafatesan’ny reny maneran-tany vokatr’ireo ezaka samihafa tontosa. Nitombo avo roa heny kosa ny isan’ny vehivavy nisafidy ny fampiasana ny fanafody fandrindram-piterahana maoderina teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2021.
Nitsidika ny ivontoeram-pitsaboana ny mpiasa, OSIEM, any Mahajanga ny minisitra mpiahy ny tontolon’ny asa, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nomarihiny ny maha zava-dehibe ny fananana toe-batana salama ahafahana manatanteraka ny andraikitra. Nanafatra ireo mpiasa eo anivon’ity ivontoeram-pitsaboana ity izy hitandroana ny fotodrafitrasa sy hikolokoloana ireo fitaovana hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ny mpiasa.