Mbola manjavozavo ny hirosoana amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsain’ny Tanàna amin’ity taona ity. Efa tokony hamoaka ny daty fanaikana ny mpifidy rahateo ny fanjakana.
Tsy mbola niova fa mijanona ho ny 6 novambra amin’ity taona ity ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina. Efa samy nankatoavin’ny fitondram-panjakana niaraka amin’ny tetiandro nanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka, farany teo izany tetiandro izany. Midika izany fa tokony ho afaka tapa-bolana eo ho eo, farafahatarany ny hamoahan’ny fanjakana ny didy fanaikana ny mpifidy. Nanamafy izany ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa tokony hiaraka amin’izany didim-panjakana izany koa ny fepetra sy ny famariparitana ireo anton-taratasy ilain’ireo mpirotsaka hofidiana. “Anisan’ izany ny anto-bola haloan’ireo kandidà. Tahaka izany koa ireo tetiandro samihafa mifandraika amin’izany”, hoy izy. Na izany aza anefa, nambaran’ ny loharanom-baovao fa miandry ny fitsanganan’ny governemanta avokoa izany rehetra izany. Tombanana fa hitsangana mialoha izao faran’ny volana izao ireo ekipa handrafitra ny governemanta mba ahatrarana izany fe-potoana izany.
Efa vonona ireo antoko politika
Etsy andaniny, efa dila ny fe-potoana novolavolain’ny Ceni ny amin’ny tetiandro natolotr’izy ireo ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny tokony nanombohana ny fanaterana ny anton-taratasy
ho an’ireo kandidà ben’ny Tanàna ny 8 jolay teo. Efa tolokevitry ny eny Alarobia koa ny hamerana ny anto-bolan’ireo ho kandidà ho 5 tapitrisa Ar eo ho eo.
Tsiahivina fa efa maromaro ireo antoko politika, mivonona hiatrika izany fifidianana eny ifotony izany. Anisan’ny efa nanambara izany ny eo anivon’ny Tim sy ny avy amin’ny MMM ary ny Fivoy.
Synèse R.