FANTINA sy FINTINA

Nidoboka am-ponja vonjimaika ny filohan’ny BAAM, Rasambozafy Cyrille sy ireo telo hafa rehefa niakatra fampanoavana tao Mananjary, afakomaly. Nafa­hana madiodio kosa ireo olona efatra hafa. Ani­san’ny vesatra iampangana azy ireo ny fitarihana hetsika tsy nahazoana alalana nitakiana ny fanahafahan’ ny depio­ten’i Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre. Hatao ny 22 aogositra izao ny fitsarana.
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriama­nantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, ny
15 jolay teo, ny masoivohon’i Korea, i Park Ji Hyun. Voare­saka tamin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena andaniny sy ny ankilany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny sosialy.
Noraisin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoho­lona, i Eric Besoa, ireo avy amin’ny vondrona orinasa misehatra amin’ny fanorenana sy ny fotodrafitrasa “Egis”, any Frantsa, afakomaly, tetsy Anosikely. Misan­drahaka amin’ny firenena an-jatony ity vondrona ity ary efa 50 taona niasana teto amintsika izy ireo, amin’ny alalan’ny Iframad. Anisan’ny nanitatra ny seranam-tsambo ao Toamasina ity vondrona orinasa ity.
Nanomboka ny 4 jolay teo tany Montréal ny fivoriana andiany faha-10 eo anivon’ny “Parlement francophone des jeunes – PFJ”. Misolo tena antsika any an-toerana Imitsinjolavitra Lalaina Amaralda sy i Solo­fo­hanitra Jaspierre Toavina John. Miatrika izany ireo tanora maherin’ny 80 maneran-tany avy amin’ny PFJ ka ahi­tana ireo miteny frantsay any Azia, Amerika, Afrika ary i Eoropa. Tsiahivina fa nifarana ny 9 jolay ny fihaonana.

Partager sur: