Taona maro izay no nila ravinahitra any ivelany i Joy K. Mandalo ary hanao fampisehoana eto kosa ity mpanakanto ity amin’izao.
Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy! Misy andro roa natokan’i Joy K hihaonana amin’ireo mpankafy azy, mandritra izao fandalovany an-tanindrazana izao. Nigadona omaly, miaraka amin’ ny vady aman-janany ity mpanakanto mila ravinahitra any ivelany ity. Ny zoma 26 jolay ny fotoana voalohany, manomboka amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Le Louvre Analakely. “Fotoana nangatahan’ ny maro io. Natao hifanakaikezana kokoa”, hoy ny nambaran’ity mpanakanto ity. Ny toerana no teritery fa ny fotoana malalaka kokoa, misy hivalamparana na dia noho izay tsy nihaonana ela izay fotsiny aza. Hanakoako indray, araka izany ry “Raiki-pitia”, “Sambatra”, “Dia samy tia”, “Finoana”, “Embona”, “Silaka fanahy”, sns, hira nahafantarana an’i Joy K tamin’izany fotoana izany avokoa ireo.
Ilay fihaonana faharoa koa anefa no tena goavana indrindra amin’ny anton-dian’i Joy K amin’ity. Anisan’ireo nosafidian’ny mpikarakara handrafitra ny “Génération 2000” amin’ity izy. Seho goavana izay hotontosaina ny alahady 28 jolay izao izy io, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hilahatra sady hihaona indray amin’ireo mpanakanto indray nihira taminy, nanamarika ny fiatombohan’ny taompolo 2000 tokoa. Tsy fandraisana anjara fotsiny, fa samy hanana anjara fampisehoana izy ireo, raha ny fanazavana. Efa fantatra avokoa ireo hiray sehatra aminy: Tarika ‘Zay, Tovo J’Hay, Raboussa, Unik, Titi ary i Spy D. Mbola hitondra fanazavana misimisy kokoa ny mpikarakara, anio.
Zo ny Aina