CGM Analakely : holalaovina an-tsehatra « Ilay raiko izay tsy nananako »

Anisan’ny singa manabe sy mitaiza ary ahafahana maneho hevitra ny zavakanto. Izany indrindra no hoentina ao anatin’ny teatra “Ilay raiko izay tsy nananako”, mandritra ny hetsiky ny Iza.

Hiaka-tsehatra eny amin’ ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Ana­lakely, ny tolakandron’ny 20 jolay 2024, ny mpikambana eo anivon’ny fikambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). Sehon-javakanto maro loko no asehon’izy ireo mandritra izany. Anisan’izany ny fanehoana an-tsehatra ilay tantara « Ilay raiko izay tsy nananako”. An­koatra ny fampivoarana ireo mpikambana eo amin’ny se­hatry ny zavakanto. Tanjona ny fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy tanora, hiala sy tsy hiroboka amin’ny zava-mahadomelina.
Hira maro samihafa, dihy ary teatra no handravaka ny sehatry ny CGM Analakely, ny sabotsy ho avy izao. Anisan’ ny hisongadina amin’ny teatra “Ilay raiko izay tsy nananako”. Tantara nosoratana sy hotontosain’i Voary Velonjara, izay filohan’ny fikambanana Iza, izy ity. Araka ny nambarany, tantara tena nisy, notsongaina tamin’ny tantaram-piainan’ireo ankizy mpikambana eo ani­von’ny fikambanana ihany izy ity. Raha fintinina, ankizy sy tanora miisa telo, tafalatsaka tao anatin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fivarotan-tena izy ity. Anton’izany ny tsy fananan’izy ireo Ray mpifehy sy mpanitsy raha iny na­nandrakandrana iny izy. Samy manana lesona azo tsoahina amin’ity tantara an-tsehatra ity avokoa na ny ankizy, na ny ray aman-dreny, na ny raiamandreny.
Misehatra eo amin’ny lafiny sosialy sy zavakanto ny fikambanana Iza. Miaro ny ankizy sy ny tanora tsy ho tafalatsaka amin’ny fidoroana sy fandraisana zava-mahadomelina izy ireo. Anisan’ny fantsona iray ahafahana manentana sy mampahafantatra ireo von­dron’olona tilina ny tanjon’ny fikambanana eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Tafi­di­tra ao anatin’ireo antony voalaza fa mahatonga ny ankizy sy tanora handray zava-ma­hadomelina mantsy ny tsy fahampian’ny hetsika ahafahan’ny saina miala voly sy ma­kaina, mba hahafahany ma­morona indray. Izany indrindra no an­tom-pisian’izao hetsika izao. Hitaomana ny ankizy sy tanora ho liana amin’ny zavakanto ary koa tsy ho roboka amin’ny zava-mahadomelina.

Lin

Partager sur: