Nitsidika tany Sina sy nandray anjara tamin’ny fifanakalozana ny mpanao gazety sy tomponandraikitra amin’ny serasera 20 avy eto Madagasikara, ny 14 ka hatramin’ny 27 jona lasa teo.
Hetsika efa fanao ny fanasana mpanao gazety amin’ny firenena maromaro ho any Sina anatin’ny fandaharanasa fiaraha-miasa, fa tamin’ity taona ity, natokana ho an’ny Malagasy ny fiofanana. Marolafy ny lafiny nahazoana fahalalana tany an-toerana nandritra ny 14 andro fa niompana amin’ny fivoaran’ny teknolojia vaovao amin’ny serasera any Sina no votoatiny, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety avy ao amin’ny Tv Plus Madagasikara, anisan’ny nandrafitra ny delegasiona malagasy, Andriambololona Mamitiana, omaly teny Mahamasina. « Efa lasa lavitra ny teknolojia any Sina ka santionany amin’izany ny mpanolotra vaovao amin’ny alalan’ny faharanitan-tsaina artifisialy. Tsy mampiasa olona betsaka intsony ny tontolon’ny fizaram-baovao fa mahazo vahana ny fitaovan’ny teknolojia vaovao », hoy ny nambarany. Manampy amin’ny fanatanterahana ny asa ny fahalalana azo nandritra ny fiofanana ary nanokatra fijery vaovao.
Tombony lehibe ho an’ireo mpanao gazety sy mpikirakira serasera ny fisitrahana fiofanana sy fitsidihana any Sina tahaka izao, hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Rasoloarison Monica. Manitatra ny fahalalana indrindra ho an’ny tontolon’ny serasera, satria tafiditra amin’ny fizarana ny fitsidihina orinasan-gazety na fahitalavitra matanjaka any Sina. Azon’ny mpanao gazety malagasy ampiharina amin’ny asany ny fahalalana azony na tsy mbola mitovy aza ny fitaovana sy ny teknolojia ampiasaina. Traikefa ho an’ireo niofana izany. Nizara ny vokatry ny dian’izy ireo tany Sina ireo mpandray anjara, omaly, nandritra ny Salon des Media, hetsika karakarain’ny masoivohon’i Sina eto amintsika. Ankoatra izay, nisy koa ny famaritana ny fiaraha-miasan’i Sina sy ny firenena aty Afrika manokana, namelabelarana ny fihaonana momba izay natao tany Tanzania ny volana marsa lasa teo. Nanana solontena ny delegasiona malagasy nandritra ny fivoriana.
Vonjy