Lycée Jacques Rabemananjara : vita ny fankalazana ny faha-65 taona

Nankalazaina ny sabotsy 6 jolay teo ny famaranana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ ny Lycée Jacques Rabemanjara, tany Toamasina. Ray mpiahy ny fankalazana i Zafivanona Lainkana Erneste, tale jeneralin’ny fadintseranana. « Anisan’ny nahazo soa maro tamin’io sekoly io aho ka antony naha toy izao ahy », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny sekoly nahazahoany ny diplaoma bakalorea ihany koa ny tao, ka rariny raha hanao tamberin’ andraikitra amin’ io sekoly io ny tenany. Aseho amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa sy fahatsiarovana avo lenta ny fandraisana andraikitra. Toy ny fanamboarana lalana « pavé » manomboka eo amin’ny vavahady fidirana hatrany anatiny. Eo koa ny fanolorana solosaina ho an’ny mpianatra tsara naoty indrindra nanomboka kilasy faharoa hatramin’ny famaranana. Solosaina manokana kosa ho an’ilay mpianatra manan-talenta amin’ny fanaovana sary atao tanana, naseho teo imasony. Ankoatra izay, notolarana mari-boninahitra, “Officier de l’ordre national”, avokoa ireo mpampianatra am-perinasa sy efa nisotro ronono, miisa enina. 30 kosa ireo nahazo ny “Chevalier de l’orde national”.
Lycée am-panjakana tokana sy zokiny indrindra ao an-drenivohitr’i Toamasina ny Lycée Jacques Rabemanjara. Amoron-dranomasina sy manamorona ny Boulevard Ratsimilaho ny toerana ahitana azy. Vao notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny 17 jona lasa teo izany.

Sajo

Partager sur: