Ilay tena sehatra, efa kely sy vitsy ! Mbola misy ihany ny mibahan-dalana, eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Ny zoky, tsy mamela ny zandry hisongadina. Ny zandry, tsy maka ny zoky ho fitaratra. Samy manana ny antony avokoa ireo fa tsy tongatonga ho azy. Ny zoky tsy afaka mitodika any amin’ireo zandry sy ny ezaka vitan’izy ireny. Ny «sao dia misongona antsika» no mibosesika ao aminy. Miteraka tsy fahatokisana eo amin’ireo mpanakanto zandry io, hany ka aleon-dry zareo tsy mandray na tsy maka ireo torohevitra avy any amin’ny zoky.
Io tsy fifamenoana eo amin’ny mpanakanto zoky sy zandry io no anisan’ny miteraka fihisarana eo amin’ny fivelaran’ny kanto eto Madagasikara. Vitsy amin’ny mpanakanto zoky no manana finiavana mizara. Zara raha misy amin’ireo zandry no mahatoky ny zoky.
Anisan’ny antony mahatonga io tsy firindrana io ny tsy fisian’ny rafitra mazava mifehy ny tontolon’ny kanto eto an-toerana. Any ivelany, rehefa tonga ny fotoana «tokony hijanonana», manome lanja ny toeran’ny mpitari-dalana, mpanoro hevitra na mpampianatra ireo mpanakanto zoky. Reharehan’ny zandry ny miteny hoe : «izaho mpianatry Ranona» !
HaRy Razafindrakoto