Haikanto plastika : manao tohy vakana ireo fampirantiana sy atrikasa

Efa mihamaro ankehitriny ireo tanora sy ankizy miditra eo amin’ny sehatra matihanina amin’ny tontolon’ny haikanto plastika, indrindra ny sary. Mitombo, araka izany, ihany koa ireo hetsika samihafa manodidina ity haikanto iray ity.

Notanterahina omaly, teny amin’ny Maison sociale des Arts (MSA) Ambatovinaky, ny atrikasa niarahana tamin’ireo tanora ao anatin’ny fikambanana Graines de bitume. Ny mahakasika ny firafitry ny vatan’olombelona no nianarana tao anatin’izany, lohahevitra izay anisan’ny nampiavaka ny hetsika. Tanjona ny hanomezana ny fototra fanaovana ny sary samihafa, na hosodoka izany, na sary amin’ny pensily hazo, na ny sary lasitra.
Hahazo tombony manokana ireo mpankafy sy mpiangaly sary, indrindra ny hosodoko, ao anatin’izao Iray volan’ny hosodoko izao, noho ny fisian’ireo fampirantiana maro samihafa sy fizarana traikefa sy fahaiza-manao, ataon’ireo efa kalaza eo amin’ity sehatra ity. Misy ihany koa anefa ireo hetsika ho an’izay maniry ny hiditra eo amin’izay sehatra izay sy hianatra ny fanaovana sary. Anisan’izany ny eny amin’ny MSA Ambatovinaky. Tanjon’ity hetsika ity kosa ny hampiroborobo ny fanabeazana sy fitaizana ara-javakanto ho an’ireo tanora. Maro samihafa ny hetsika ara-javakanto hita eny an-toerana fa nomena vahana manokana ny sary. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ireo fototra aloha no ampianarina sy ampahafantarina azy ireo mba tsy hivaona sy hahafahany mampiasa ny aingampanahiny.
Nisy ihany koa ny fampahafantarana ny mahakasika ny “Festival d’arts plastiques Hosotra”, teny an-toerana, omaly. Hetsika izay hihao­nan’ny fianakaviamben’ny mpanao sary malagasy, tanterahina ny volana aogositra 2024, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Efa tamin’ny taona 1997 no niforona ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny hampiroborobo ny haikanto plastika sy ireo mpanan-talenta avy eto an-toe­rana.

Lin

Partager sur: