Fiomanana amin’ny bakalorea : mpianatra 28 voafitaky ny sekoliny

Nisy efa nihevitra ny hamono tena mihitsy amin’ireo mpianatra 28 mianadahy, amin’ny sekoly iray tsy miankina ao Toamasina, voafitaky ny mpampianatra nisahana azy ireo. Tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina hatramin’ny zoma 12 jolay lasa teo ka samy gaga izy ireo sy ny ray aman-dreniny. Nandritra ny fotoana tokony hanaovana ny adina ara-panatanjahantena kosa, narirariran’ilay mpampianatra ihany fa hoe mbola miandry kely ny momba ny taratasy fiantsoana. Nanomboka ny zoma lasa teo, efa tsy hita popoka ity mpanabe ity. Niantso azy tamin’ny finday ny ben’ny Tanàna. Nilaza ity mpampianatra ity fa any Antananarivo mikarakara ny antontan-taratasin’ireo mpianatra izay samy ankizy latsaky ny 18 taona avokoa.
Ny alatsinainy maraina lasa teo, niezaka nifampiresaka tamin’ ireo solontenam-panjakana ireo ny mpiadina voakasika fa tsy nahazo valinteny mahafapo. Nasaina nanontany ny OMC sy ny Ofisin’ny bakalorea ao Toamasina, izay nivory tao amin’ny faritra, izy ireo. Nandamoka izany rehetra izany ka ahina ny hisehoan’ny famoizam-po amin’ireto ankizy ireto, ny fanadinana rahateo hosantarina amin’ny alatsinainy 22 jolay ho avy izao.

Sajo

Partager sur: