Samy miandry izay olona ho voatendry handrafitra ny governemanta vaovao ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Izay sisa dia feno ny ekipa hikatroka ny ampaham-potoana faharoa, niakaran’ny filohan’ny Repoblika ny kianja, nitondrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Efa naneno ny kiririoka fanairana fa mbola andrasana ny fanombohan’ny lalao.
Mbola hamita iraka any ivelany rahateo ny kapiteny. Ny faran’ny herinandro ambony any mihitsy vao mety ho tafaverina. Anisan’ny voaasa hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao Olympika izy, inoana fa tsy maintsy hoany Paris. Izany hoe, afaka folo andro mahery any vao hivoaka ny mpikambana handrafitra ny governemanta vaovao.
Tsy manakana ny famoahana ampitain-davitra ny anarana izany. Tahaka ny governemanta farany, nialoha ny fifidianana tamin’ny volana novambra 2023. Ny olona hotendrena, mijery televiziona any an-trano, ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana ny Repoblika manonona izany avy any an-dapa, etsy Ambohitsorohitra. Ny mpanohana kandidà aza niesona teny Iavoloha.
Noho ny hamehana dia tsy misy ny maharatsy izany. Efa nilaza kosa anefa ny filohan’ny Repoblika fa tsy mirotoroto izy dia mety efa mipetrapetraka any anatin’ny lamina any ny momba ity governemanta vaovao ity. Dimy taona no hiasana, tsy maintsy maka angovo vaovao rahateo izy hoenti-miatrika izany. Mila mahay mifantina ekipa tsara, ho namana mahatoky, mba tsy hahafaty an-dalana ny lamasinina haingam-pandeha na ny TGV.
r.r