Nanana soatoavina mifototra amin’ny rariny sy ny fanajana ny zon’olombelona i Nelson Mandela, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ahatsiarovana an’io mpitolona tao Afrika Atsimo io. “Nanandratra ny fitoviana sy ny maha olona izy ka tokony ho lesona ho antsika izany”, hoy izy.
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tetsy Faravohitra, ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina miasa eto amintsika, i Ji Ping. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny votoatin’ny fihaonana.
Hivoaka ny 20 aogositra izao ny didim-pitsarana momba an-dRaharimanana Patrick. Niakatra tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny tenany, afakomaly, ary afaka nody tany an-tokantranony. Tsiahivina fa anisan’ny vesatra iampangana azy ny famoahana vaovao tsy nahazoana alalana tamin’ny tambajotran-tserasera sy fanohintohinana ny filaminam-panjakana.
Mitaky ny hamoahana ny depiote voafidy tany Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre, sy ny mpitarika ny Baam, Rasambozafy Cyril, ireo mpanao politika ahitana CST sy CT sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Nambaran’izy ireo fa tokony hampiharina ny didin’ny HCC amin’ny naha voafidy azy ho depiote. “Hitohy ary hihamafy ny fitakiana raha tsy mivaly izany”, hoy izy ireo.