Fitsaboana nentim-paharazana : mangataka ny hanenjehana ireo mivaona

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Anosy ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasi­kara (ANTM), omaly. Fivoriana isan-taona, nandraisan’ny fikambanana 17 manerana ny faritra 24, eto amin’ny Nosy, anjara. Maro ny olona misandoka sy manao doka varotra ary manaratsy ny fitsaboana nentim-paharazana eto amin’ ny Nosy. Anisan’ny nangata­hin’izy ireo amin’ny fanjakana ny hampidirana azy ireny ao anatin’ny heloka ana habaka. Ampiharina amin’ireo tratra manao heloka avy hatrany ny sazy sahaza azy. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana doka varotra sy ny fanamba­rana mandainga ary ny fanaratsiana amin’ny endriny rehetra ny fi­tsaboana nentim-paharazana”, hoy ny filohan’ny ANTM, Rasa­mivelona Jose­phin, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Nohamafisiny fa zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana izany amin’ny alalan’ny fisandohana sy fa­kana volan’olona marary sy efa sahirana. “Ma­nome endrika ratsy ny zava-masina ihany koa izany, satria mitovy amin’ny fitsaboana moderina ihany koa ny nentim-paharazana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa taranja efa fanomezam-pahasoavana, ara-tsoatoavina sy ara-kolon­tsaina ny fitsaboana nentim-paharazana. Tanjona ny handrindrana ny lalàna misy eto amin’ny tanin’ ny Repoblika mba hahazahoana ny tombon­tsoam-piarahamo­nina sy hiaro­vana ny lafiny ratsy ary ha­na­tsarana ny lafiny tsara. “Ampi­famenoana ny fitsa­boana nentim-paharazana sy ny fitsaboana mode­rina”, hoy hatrany izy.

Mino

Partager sur: