Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo. Nanolotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono,
entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity.
Hahodina ho angovo madio « biométhane » ny fako eny Andralanitra tanterahin’ny orinasa Apis Solution. Hanomboka hamoaka vokatra ny orinasa amin’ny jolay 2025. Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa hanomezan-danja ny fako, iarahan’ny kaominina CUA, ny SMA ary ny minisitera voakasika samihafa.
Firenena fahenina amin’ireo 20 ratsy
lalana aty Afrika i Madagasikara. Potika sy mampikaikaika ny mponina ny fahasimban’ny lalam-pirenena sy ny an-tanàn-dehibe. Miantraika mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena ny lalana noho izy miantoka ny fitateram-bokatra sy ny harinkaren’ny faritra.
Mahatoto kakao 1 taonina isan’ora ilay milina mpanodim-bokatra ao Sambava. Hiteraka asa sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny
ozinina ao an-toerana. Mahatratra 15 000 taonina isan-taona ny vokatra kakao ao Sambava, raha manodidina ny 90 kosa ireo kaoperativa mpamokatra mitsangana ara-dalàna.