20 taona taorian’ny nanaovan’ny fanjakana malagasy sonia ny fifanarahana tany Maputo momba ny zon’ny vehivavy, tsy mbola marisika hankato ny mpitondra noho ny andininy sasany manahirana azy.
21 taona amin’ity taona ity ny Fifanarahana mahakasika ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy antsoina koa hoe “Fifanarahan’i Maputo”, toerana nanatanterahana azy ny taona 2003. Mahatratra 55 ny firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona afrikanina ary anisan’izany i Madagasikara. Nanao sonia ny fifanarahana ny fitondrana malagasy ny volana febroary 2004, fa tsy mbola nankatoa hatramin’izao. Anisan’ny manelingelina ny fanjakana ny ampahany iray (2-c) amin’ny andininy faha-14 momba ny zo amin’ny fahasalamana sy fanaraha-maso ny fiainana ara-pahasalamana. Misy ny fanentanana sy adisisika ataon’ny firaisamonina sivily isan-taona amin’ny tokony hankatoavan’ny fanjakana ity fifanarahana ity izay manana andininy 32.
“Raha ankatoaviny sy lanian’i Madagasikara ho lalàna ilay fifanarahana dia mitondra tombontsoa maro satria voasahana avokoa ny zon’ny vehivavy izay tsy mbola voahaja eto amintsika. Ohatra ny zo amin’ny fandovana, zo handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Ireo firenena rehetra efa nankatoa ny fifanarahana dia hita taratra fa nandroso”, hoy ny mpikambana eo amin’ny Forum génération égalitée, Ramparaoelina Tendry. Porofo manamarina izany ny firenena tsy mbola nankatoa ny fifanarahana no tena manana olana goavana amin’ny hanoanana maneran-tany ary anisany i Madagasikara, araka ny valin’ny tatitra momba ny hanoanana. Tsy afaka mitondra fampandrosoana ny vehivavy rehefa tsy misitraka feno ny zony amin’ny lafiny rehetra.
Avy amin’ny tanora ho an’ny tanora
Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-21 taonan’ny “Fifanarahan’i Maputo”, nomena sehatra ny tanora hanehoany ny fahatsapany ny maha zava-dehibe ny fankatoavana ny fifanarahana satria izy ireo no hisitraka ny vokany amin’ny hoavy. Nilaza ny filany izy ireo mihoatra amin’ny andininy voalaza ao amin’ny fifanarahana. Samy tanora ireo mpandray anjara avy amin’ny oniversite sy anatin’ny fikambanana tanora marobe.
Vonjy