« Mamonjy aina ny vaksiny ary vonona aho hitondra ny anjara birikiko hanatsarana ny fahasalaman’ny ankizy », hoy Rajaonarivelo Mamisoa Fiderana na i Fy, 15 taona.
Hiara-hiasa amin’ny Unicef izy ka ho mpisolovava hanentana ho tombontsoan’ny zaza, indrindra amin’ny adisisika momba ny vaksiny rehetra. Maneho hevitra betsaka amin’ny tambajotran-tserasera i Fy ka hampiasainy izany fitaovana izany hizarana ny vokatsoa amin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny poliomelita ny ankizy. Efa vita ny fandraiketana an-tsoratra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta tamin’ity herinandro ity niaraka amin’ny solontena lefitry ny Unicef, Mahamat Nour Molli.
Taonan’ny fanaovam-baksiny ity taona ity, hoy ny filohan’ny Repoblika, ny volana avrily lasa teo. Ny vadiny rahateo no reny mpiahy ny fanaovam-baksiny sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Efa nisy ny hetsika lehibe ho fanatrarana ny hamitana ireo ankizy tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy sy ny fanamafisana ny vaksiny miaro amin’ny aretina poliomelita ny herinandro lasa teo.
Vonjy